About us
Demand4Restoration is a research project that explores how integrating local, regional, and national restoration demands can improve the social and ecological effectiveness of forest restoration in Madagascar.
By analyzing over 30 existing interventions and co-creating new ones with communities, the project generates practical insights to guide more equitable and sustainable restoration policies across the country.
Demand4Restoration brings together a diverse network of partners—researchers, practitioners, and communities—committed to building socially and ecologically effective restoration practices.
Our Latest News
Landscape restoration is a high priority in Madagascar, and in the northeast, diverse actors in...
Faly izahay mampahafantatra ny tetikasa Demand4Restoration (D4R) : fanarenana ny sahanala eto Madagasikara amin’ny alalan’ny...
Fiers de présenter le projet “Demand4Restoration” (D4R) : une initiative qui vise à restaurer les...
« Nohenoina izahay ary afaka nizara ny fomba fijerinay. »
Izany no nanamarika an’i Atoa Razanadahy Bonaventure Thomas, Filohan’ny fikambanana Toteny Tanosy, taorian’ny atrikasam-paritra an’ny tetikasa Demand4Restoration, natao ny 11 febroary 2026 tao Taolagnaro.
Nandritra ity atrikasa ity dia afaka nifanakalo hevitra ny mpandray anjara momba ireo lokanady mifandraika amin’ny fiarovana ny ala mbola misy sy ny famerenana amin’ny laoniny ireo faritra efa simba.
Ho an’ireo mpisehatra eny ifotony miaro ny tontolo iainana, tena zava-dehibe ny sehatra fifanakalozan-kevitra toy itony. Eo mantsy no ahafahana maneho malalaka ny zava-misy iainana, ny olana sedraina, ary koa ireo vahaolana azo ampiharina avy any amin’ny fiarahamonina.
Ity tenin’i Atoa Razanadahy Bonaventure Thomas ity, izay sady mpitondra ara-pomban-drazana ambony indrindra ao amin’ny faritra Anôsy ihany koa, dia mampahatsiahy miharihary fa : ny fahombiazan’ny asa fanarenana ny ala dia miankina amin’ny fandraisan’anjaran’ny mponina eny ifotony, ny fandraisana ny fahalalany, ny filàny ary ny vahaolana atolony. ... See MoreSee Less
0 CommentsComment on Facebook
« Nous avons pu être entendus et partager nos points de vue. »
C’est ce qui a marqué M. Razanadahy Bonaventure Thomas, Président de l’association Toteny Tanosy, à l’issue de l’atelier régional du projet Demand4Restoration le 11 février 2026 à Fort-Dauphin.
Lors de cet atelier, les participants ont pu échanger sur les enjeux liés à la préservation des forêts existantes et à la restauration des zones dégradées.
Pour les acteurs de terrain engagés dans la protection de l’environnement, ces espaces de dialogue sont essentiels. Ils permettent d’exprimer librement les réalités vécues, les difficultés rencontrées, mais aussi les solutions concrètes imaginées au plus près des communautés.
Les mots de M. Razanadahy Bonaventure Thomas, qui est également la plus haute autorité traditionnelle de la région Anôsy rappelle une évidence : la réussite des actions de restauration passe par l’implication des communautés et par la prise en compte de leurs connaissances, de leurs besoins et de leurs propositions. ... See MoreSee Less
0 CommentsComment on Facebook
Tsy fambolena hazo fotsiny ny famerenana amin’ny laoniny ny ala – Tatitry ny iraka tany Fort-Dauphin
👉 En français 🇫🇷 : www.facebook.com/share/p/1ExXtz6ooS/
Maro ireo tetikasa fambolen-kazo na famerenana amin’ny laoniny ny tontolo iainana eto Madagasikara. Saingy tena mamaly ny filan’ny mponina ve izy ireny?
Ny 11 febroary lasa teo izahay dia nampivondrona mpisehatra manan-danja miisa 38 (rafi-panjakana, fiarahamonim-pirenena, manam-pahaizana ary mpisehatra eny ifotony) avy ao amin’ny faritra Anôsy, nandritra ny atrikasa iray nitondra ny lohahevitra hoe: “Fiheverana ny filàna sy ny andrasan’ny eny ifotony amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala eto Madagasikara.”
Ity atrikasa ity dia nokarakarain’ny INDRI - Réussir le changement à Madagascar niaraka tamin’ny TBSE SARL tao anatin’ny tetikasa Demand4Restoration (D4R). Tsy fihaonana ara-teknika fotsiny izy ity.
Ny fanamby dia ny hampifanaraka ny paikady nasionaly momba ny famerenana amin’ny laoniny ny ala amin’ny zava-misy eny ifotony. Satria tsy voafetra amin’ny fambolena hazo fotsiny ny famerenana amin’ny laoniny ny ala. Izany dia mitaky ny:
• Fahatakarana ny laharam-pahamehana eo an-toerana
• Fampidirana ireo lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy
• Fijerena mialoha ireo sakatsakana amin’ny lafiny fananan-tany
• Fandraisana anjara amin’ny fivoarana maitso sy mampiaty
Ny tetikasa D4R dia ho tonga amin’ny fanolorana tolo-kevitra nasionaly ho an’ny Fanjakana sy ireo mpisehatra rehetra voakasika.
Mankasitraka ireo mpandray anjara rehetra izahay nohon'ny fahafoizan-tena. ... See MoreSee Less
0 CommentsComment on Facebook